-Fandaminana ny fifamoivoizana sy ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana
-Nanatanteraka fidinana ifotony teny an-dalambe ireo Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra, izay notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra sy ireo mpiara-miasa aminy, nahitàna ny Kaomisaria Foibe Antsirabe ary ny CSP1 Ambohimena.
-Ny hetsika dia nifantoka manokana tamin’ny fifandraisana mivantana amin’ireo mpampiasa lalana sy ny fanentanana azy ireo amin’ny fanajàna ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana.Tanjona ny hisorohana ny fandikan-dalàna sy ny fampihenana ny lozam-pifamoivoizana.
-Ireo mpamily fiara fitaterana, ny kodiaran-droa, ny posy ary ny sarety teny amin’ireo faritra be mpifamezivezy no niarahana nidinika sy nomena toromarika mba hamporisihana ny fitondran-tena mendrika sy ny fandraisana andraikitra ho an’ny fiarovana ny rehetra eny an-dalana.
DRSP VAKINANKARATRA : NANATANTERAKA HETSIKA FAMPIANARANA SY FANENTANANA HO AN’IREO MPAMPIASA LALÀNA NY POLISIMPIRENENA TAO ANTSIRABE, TAFIDITRA ANATIN’NY HETSIKA “OPERATION MAHOMBY”.