👉Ady amin’ny halatra isan-karazany
📩Taorian’ny vaovao marim-pototra voarain’ny Polisimpirenena tao Antalaha ny Alatsinainy 23 Febroary 2026, izay nilaza fa misy olona mitazona entana halatra ao Ambohimena Andranovato, dia nanao velam-pandrika avy hatrany ny Polisy mba hisamborana ireo olon-dratsy.
➡️Vokatr’izany, voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka voalohany tamin’ny halatra, niaraka tamin’ny vehivavy iray voalaza fa mpanafina ireo entana halatra marobe, toy ny kojakoja fampiasa ao an-tokantrano izay hita sy nafeniny tao an-tranony avokoa.
🎯Mbola hita teny an-toerana ihany koa ireo fitaovana samihafa izay nampiasain’izy ireo tamin’ny fanaovany ny asa ratsiny.
🚓Nosamborina avy hatrany izy telo ireto ary nanokafana fanadihadiana. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa mpiray tsikombakomba aminy amin’ity raharaha ity.

ANTALAHA : OLONA TELO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA, NAHITANA ENTANA HALATRA MAROBE TAO AN-TRANONY

Vous pourrez aussi aimer