– Nanentana sy nampatsiahy ireo mpitondra fiara sy moto eny amin’ny lalam-pirenena voalohany ireo Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Miarinarivo teo amin’ny barrage de Police Andohavary sy Ambodivona ny 19 Aprily 2026, momba ny fitandremana tokony hatao eny an-dalana sy ny fanajàna ny lalàn’ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza.
– Efa mihamaro hatrany ireo mampiasa ity lalam-pirenena ity ary efa matetika isehoana lozam-pifamoivoizana rehefa faran’ny herinandro, indrindra rehefa misy fifaninana hazakazaka moto na fiara ao Arivonimamo.
– Ny Polisimpirenena dia tsy mitsahatra manao hezaka rehetra hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, mandray andraikitra hatrany. Tsiahivina ihany koa anefa fa samy manana andraikitra avokoa ireo mpampiasa lalana mba hisorohana ny loza.

