– Notanterahina ny Talata 21 avrily 2026 tao amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato ny fankatoavana (validation) ny lohahevitra fikarohana ho an’ireo Élèves Commissaires de Police sy Elèves Officiers de Police, Promotion MIAHI. Hetsika iray manan-danja izy ity, mikendry hatrany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana omen’ny sekoly.
– Ny tanjona dia ny hahafehezan’ireo mpiofana ny lohahevitra hanaovany fikarohana, miompana amin’ny asan’ny Polisimpirenena ary hahafahan’izy ireo miatrika avy hatrany ny andraikitra miandry azy rehefa mivoaka ny sekoly. Manampy ihany koa amin’ny fandrindràna mialoha ny asa fikarohana izao dingana izao, ka hahafahana mampifanaraka izany amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny asa eny anivon’ny Polisimpirenena.
– Manaja ny rafitra LMD (Licence-Master-Doctorat) ny sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy, ka ahafahan’ireo Élèves Commissaires de Police mahazo diplaoma Master 2 amin’ny sehatry ny Filaminam-bahoaka rehefa mivoaka ny sekoly izy, ankoatra ny Diplaoma Maha Commissaire de Police sy maha Officier de Police, izay mitovy lenta amin’ny M1. Manamafy ny maha matihanina ny fiofanana ao amin’ny ENSP izany, sady mampifandray ny fahaizana ara-taratasy manoloana ny fampiharana eny an-kianja ; tsy latsa-danja amin’izany rehetra izany ny fampifanarahana ny fiofanana amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
– Eo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ireo teknisiana avy ao amin’ny Polisimpirenena amin’ny tombana sy fanohanana ireo fikarohana. Araka izany, mitoetra ho loharano stratejika azo ampiasaina avy hatrany amin’ny fanatsaràna ny asan’ny Polisimpirenena ireo voka-pikarohan’ny mpianatra, indrindra ao anatin’ny fikaonan-dohan’ny Polisimpirenena tamin’ity taona miompana amin’ny vina 2036.
– Marihina fa ny fikarohana ataon’ireo Élèves Commissaires de Police dia mifantoka kokoa amin’ny lafiny stratejika, raha toa kosa ka mifantoka amin’ny lafiny fampiharana eny an-kianja ny an’ireo Élèves Officiers de Police, ka samy mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ny rafitra sy ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny loharanon’karena misy eto amin’ny Firenena izany.

