– Fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy
– Nanatanteraka fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG) tao amin’ny Tobin’ny Bataillon d’Infanterie Mangarivotra, Manakara ny Brigade Féminine de Proximité any an-toerana ny Alatsinainy 20 Aprily 2026.
Nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny karazana herisetra, ny lalàna mifehy azy ary ny fomba fandraisana andraikitra raha misy trangana herisetra ny laha-dinika.
-Maro ireo rahalahy avy ao amin’ny Tafika malagasy no liana tamin’ity fanentanana ity ary nankasitraka izany sy maniry ny hihitarany. Araka izany dia tonga nandray anjara avokoa ireo avy amin’ny vondron-kery : « Bataillon Infanterie » Manakara, ny « Corps de Protection Civile », ny « Groupe Tactique Anti-aérien » ary ny avy amin’ny « Zone de Défense et de Sécurité » Matitanana.
– Ny tanjona dia ny hanamafisana ny fahalalan’ireo miaramila sy hamporisihana azy ireo handray anjara amin’ny fisorohana ny VBG eo anivon’ny fiaraha-monina.
– Nandritra izany dia nampahafantarina azy ireo ny karazana herisetra misy, ny lalàna mifehy izany ary ny fomba fandraisana andraikitra raha misy tranga mitranga, niaraka tamin’ny fifanakalozan-kevitra.
– Naneho fahafaham-po ireo mpandray anjara, izay manamarina ny maha zava-dehibe sy ny vokatra tsara azo avy amin’ity hetsika ity. Tsy hijanona eo ny hetsika fa hisy ihany koa ny fampiofanana tahaka izao hiarahana amin’ny Fikambanan’ny Vady Miaramiala na ny FIVAMI ao Manakara.

 

MANAKARA : FANENTANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHALAHY SY MAHAVAVY (VBG)

Vous pourrez aussi aimer