👮♀️ Polisy vehivavy miisa 17 no handrafitra ny « Brigade Feminine de Proximité » ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Ihorombe. Sampan-draharaha iray mifantoka sy hanampy bebe kokoa amin’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra sy fanentanana hisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (Violence Basée sur le Genre).
✅ Nanomboka ny fiofanana ireo Polisy vehivavy mandrafitra ity sampan-draharaha ity ny 03 Aprily 2025 tao Ihosy, ka isan’ireo hiompanan’ny fanampim-pahaizana azon’izy ireo ny fomba fandraisana manokana ireo izay niharan’ny herisetra, ny fanentanana sy fanabezana hisorohana izany.
Fanatanterahana ny politikam-panjakana, eo amin’ny fijerena ny lafiny maha olona, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na mahavavy, firosoana hatrany amin’ny miralenta ary indrindra ihany koa dia ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny Polisimpirenena mbe entina manakaiky kokoa hatrany ny vahoaka.
👉 Tonga nanokatra ity fiofanana ity sy nitarika izany tao Ihosy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur General de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina . Nanome voninahitra izao fotoana izao ireo solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny disitrikan’Ihosy sy ny olom-boafidy hafa, ny Governoran’ny Faritra Ihorombe, ny talen’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Ihorombe, ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika malagasy ao Ihorombe, ny talen’ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny Fahasalàmam-bahoaka, ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny Mponina sy ny firaisankina, ireo fikambanana ara-tsosialy izay mpiaramiombon’antoka amin’ny BFP amin’ny lafiny ady amin’ny herisetra.

