🎯 Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava ireo lehibe ao amin’ny EMMO NAT, notarihin’ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy sy ny Colonel RAVELOMANANA Tahiana, izay samy Directeur de la Police Judiciaire.
✅ Nitondràna fanazavàna tamin’izany ny tranga izay niseho ny alin’ny 03 Aprily 2025, raha nisy nametraka cocktail Molotov sy trakta teo anoloan’ny biraon’ny PAC 67Ha sy Villa Pradon Antanimena. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ary nanangana « cellule mixte » niarahan’ny Polisy sy Zandary hanao fanadihadiana.
âś… Tamin’ny alalan’ny « camĂ©ra de surveillance », dia fantatra fa olona roa no nanao ny asa ratsy ka moto no nampiasain’izy ireo. Voaporofo fa tompon’antoka ny MĂ©decin Colonel RAKOTOMAMONJY Simon Patrick, voasambotra ny 14 Aprily fa nitsoaka ny 16 Aprily izy nandritra ny andri-maso. Voasambotra ihany koa ilay namany nitondra moto tato aoriana, ary niaiky ny heloka rehetra niarahany tamin’ity Miaramila ity.
✅ Nifarana ny famotorana ny 30 Aprily 2025 : olona 30 natolotra ny fitsaràna, 5 voatazona am-ponja vonjy maika ary 3 eo ambany fanarahamason’ny fitsaràna. Notsindrian’ireto tompon’andraikitra ireto fa tsy nisy olon-tsotra na iray aza afaka nanatrika ny fanadihadiana rehetra natao fa Polisy sy Zandary efa manam-pahaizana manokana amin’izany avokoa no nandray anjara. Vaovao tsy marina araka izany no mbola aelin’ny Colonel Patrick ankehitriny hoy ireo mpitandro ny filaminana.
âś… Ankoatra izay rehetra izay dia fantatra ihany koa fa voasambotra ny olona 2 hafa nanoratra fandrahonana sy fihantsiana teny amin’ny rindrina teny Antsahamanitra ny marainan’ny 24 aprily 2025 izay nisian’ny fitsidiham-panjakĂ na nataon’ny Filoha frantsay teto amintsika. Hatolotra ny fitsarana izy ireo ny 05 Mey 2025.
🚨 Nanao antso avo ho an’ny mpiray tanindrazana ireo mpitandro ny filaminana, mba tsy ho mora voarebireby amin’ny tsaho sy fanakorontanana, manoloana ny vaovao tsy marina izay iniana aparitaka ankehitriny.

RAHARAHA COCKTAIL MOLOTOV TETSY AMIN’NY PAC 67HA SY TENY ANTANIMENA

Vous pourrez aussi aimer