👉 Ady amin’ny halatra isan-karazany.
🚔 Nahitam-bokany ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena tao Toliara ny alin’ny 8 Jona 2026. Tokony ho tamin’ny 02 ora maraina no nahatsikaritra olona mampiahiahy teo akaikina « camion » miaraka amina entana , teny akaikin’ny fiangonana Anglikanina Ankilifaly, Toliara-I, ny Polisy.
📌 Nirifatra nandositra avy hatrany ireo olona ireo raha vao nahita ireo mpitandro ny filaminana ka nenjehin’ny Polisy ary voasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nandritra ny famotorana natao taminy no nahafahana nikaroka sy nisambotra olona dimy hafa mpiray aminy tsikombakomba tamin’ity raharaha halatra ity.
🎯Raha ny fanadihadiana natao dia fantatra fa fanatahana ny labasin’ny « camion » miantsona an-tsisindalana no fomba fiadin’ireto jiolahy ireto ka miditra sy mangalatra ireo entana ao anatiny izy ireo.
đź‘®Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena mahakasika ity raharaha ity ary atolotra ny fampanoavana ireo jiolahy rehefa vita ny famotorana savaranonando.
âś… Ny Polisimpirenena dia manao ny asany feno ary ahitĂ m-bokany izany tahaka ity fisafoana ity ; mitaona ny rehetra hatrany ho mailo ary manentana mba ho sahy hitoroka ireo mpanao ratsy.

TOLIARA : TAMBAZOTRA ANA MPANGALATRA SY MPAMAKY FIARABE MPITATITRA ENTANA RAVAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer