👉Fiarovana ny zaza amin’ny fanararaotana ara-nofo anabaka
➡️Fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin’ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena malagasy miady amin’ny heloka anabaka (CybercriminalitĂ©) sy ny fikambanana Child Rescue Coalition any Etazonia no nahafantarana fa misy teratany vahiny 69 taona manao fitadiavam-bola ny fanaparitahana horonan-tsary mamoafady mahakasika zaza tsy ampy taona, mianga avy ao Mahajanga.
➡️Rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsarà na tao Mahajanga dia niarahan’ny sampana Cybercriminalité avy ao Antananarivo sy ny avy any Mahajanga ny fisavà na ny tranony sy ny fisamborana azy ka tratra tamin’io fotoana io ny solosaina sy ny fitaovana fampiasany nahità na ny porofo rehetra mahakasika izany. Efa natolotra ny fampanoavana ity tera-tany vahiny ity ny 7 May 2025 ka nampidirina am-ponja vonjy maika ao Marofoto Mahajanga.
