« FITIAVAN-TANINDRAZANA MITARIKA FANDROSOANA », io ny tarakevitra voafidy entina hankalazana ny 65 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara🇲🇬 sy ny Foloalindahy malagasy⚔️, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ôfisialy ny alatsinainy 19 may 2025 tao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina🏟️ niaraka tamin’ny sary famantarana.
🟢Nitarika ny fotoana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin notronin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy niaraka tamin’ireo delegesiona avy amin’ireo hery fiarovana sy filaminana notarihin’ny Filohan’ny Komiti-pirenena manomana ny fankalazana ny 26 jona, ny Jeneraly RAKOTONDRABARY Eric ary ny Talen’ny serasera eto anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, Ramatoa ANDRIANARISOA Bodo Hanta Lovasoa.
👉Mizara telo ireo hetsika entina hankalazana izany fiverenan’ny fahaleovan-tena izany ka voalohany amin’izany ireo hetsika ara-javakanto sy koltoraly, toy ny fampirantiana ny tantara sy sary mirakitra ny tantaran’ny firenena sy ny Foloalindahy malagasy, ny tantara an-tsehatra ary ny fandefasana horonantsary sy ny fihetsika mirindra. Eo ihany koa ireo fifaninana ara-panatanjahantena izay hampisehoana haiady sy fifaninana ara-panatanjahan-tena ary ny kermesin’ny Foloalindahy izay nanana ny lazany tokoa taloha ary hatao ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina amin’ity indray mitoraka ity.
➡️Manerana ireo distrika rehetra eto Madagasikara ny fankalazana ny fetim-pirenena🎆 hampiray fo sy saina ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka na dia hanana ny maha-izy azy aza ny fankalazana eto an-drenivohitra. Anatin’izany ny afomanga izay hatao eny amin’ny Lac Iarivo Ivato sy ny ivon’ny fankalazana ny 26 jona dia ny matso lehibe ataon’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana ao amin’ny Kianjan’ny Barea. Nanamarika moa Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy fa nisy ny Filoham-pirenena vahiny sy ny Minisitry ny fiarovana vahiny nasaina hanatrika ny fankalazana ka eo am-piandrasana ny fanamafisana ny fahatongavan’izy ireo ny tompon’andraikitra mpikarakara. Hampiavaka ity faha-65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena ity ihany koa ny tsangambato izay hapetraka eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Analakely. Hifarana ny 27 jona moa ireo hetsi-pankalazana amin’ny alalan’ny alin’ny Hery fiarovana sy filaminana na ny « Nuit des FDS ».
ℹ️ Mahakasika ny fitandroana ny filaminana indray dia nanambara ny Minisitry ny Foloalindahy, izay namafisin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, fa hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny fankalazana mba hifety am-pilaminana avokoa ny vahoaka Malagasy rehetra.

65 TAONAN’NY FIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA SY NIJOROAN’NY FOLOALINDAHY:FAMPAHAFANTARANA NY HETSIKA,TARAKEVITRA SY SARY FAMANTARANA NY FANKALAZANA

Vous pourrez aussi aimer