Polisimpirenena, miaro ny zaza sy ny olona marefo
✅ Vehivavy iray monina eo amin’ny manodidina no tonga teny amin’ny rond-point Ampasika nampilaza tamin’ny Polisimpirenena miasa eo, fa misy zaza lahy manodidina ny 5 volana, narian’ny reniny teo amoron’ny renirano Ikopa, ny tolakandron’ny 21 Mey 2025. Nirotsaka an-tsehatra avy harany nijery ny zava-misy ny Polisy avy amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention Tsaralalàna .
✅ Nambaran’ny olona mbola nitangorona fa nahita vehivavy hafa nikasa handatsaka io zaza io tao anaty rano izy ireo. Rehefa nosakananan’ireo nanatri-maso anefa dia lasa nandositra avy hatrany ilay renim-pianakaviana.
👮‍♂️ Noraisin’ny Polisimpirenena ilay zaza ary naterina tao amin’ny sampandraharahan’ny Polisy misahana ny fiarovanana ny zaza sy ny Olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady, ao Anosy (SCPMPM). Misokatra araka izany ny fanadihadiana hitadiavana ilay vehivavy, izay nikasa hanao heloka bevava tamin’io zaza io.

 

ZAZALAHY KELY 5 VOLANA NARIAN’NY RENINY TENY AMPASIKA, NORAISIN’NY POLISIMPIRENENA AN-TANANA

Vous pourrez aussi aimer