Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zavamahadomelina
➡️Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny zavamahadomelina, indrindra ny fanamafisana ny fisavàna amin’ireo fiara mifamezivezy amin’ny lalàm-pirenena rehetra eto Madagasikara.
➡️Tamin’ny zoma 23 mey 2025, nahazo vaovao ny Polisy avy ao Ambilobe fa misy taxi-brousse iray niainga tao Ambanja ho any Antsiranana nitondra mpandeha iray nitondra rongony. Niroso tamin’ny fanakanana sy fisavana ilay fiara fitateram-bahoaka ny Polisy, ka tratra ny lehilahy iray, 29 taona, tompon’antoka tamin’ny fitondrana ilay rongony. Nafenina tao anaty gony ireo rongony ireo ary nokasaina haparitaka sy hamidy ao Antsiranana.
➡️Ny harivan’ny alahady 25 mey 2025 indray, mpamily taxibrousse nitondra rongony milanja 60 kg nafenina tao anaty gony miisa 2, avy any Antananarivo noentina hiditra antsokosoko an’i Toamasina, no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana, teny amin’ny lalam-pirenena faha-2, raha hiditra an’i Toamasina.
➡️Samy notazonina atao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana avokoa ireto roalahy ireto mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana.