Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zavamahadomelina
✅Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ‘ny Komisaria Maroantsetra, Fitaleavam -paritry ny Filaminam-bahoaka ANALANJIROFO ny lehilahy roa 39 sy 50 taona ny 27 sy 28 may 2025 lasa teo tao Maroantsetra noho ny fitazonana sy fivarotanana zava- mahadomelina.
➡️Ny harivan’ny 27 may 2025 tokony ho tamin ‘ny 06 ora sy 30mn teo amin ‘ny tetezana Anjahanambo izay mampitohy ny fokontany Ambatomasina-Sud sy ny tananan’ny Maroantsetra no sendra ny fisavana tampoka nataon’ny Polisy ilay lehilahy 39 taona. Nahitana rongony 12 fonosana izay milanja 2,8 Kg teny aminy. Nanoro ny namany ity voasambotra voalohany ity ka ny 28 may 2025 maraina tao Ankiakalava II no nahatratrarana ilay lehilahy iray 50 taona. Rongony milanja 24 kg no tratra tao aminy.
➡️Nentina eny amin ‘ny biraon ‘ny Polisimpirenena izy roa ireto atao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

MAROANTSETRA, LEHILAHY ROA MPIVAROTRA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer