Ady amin’ny fisolokiana
➡️Tovolahy 17 taona sy 18 taona no tratran’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany faharoa Ambohinjatovo teo am-pisolokiana olona teny Saropody Tanjombato, ny marainan’ny 12 Jona 2025.
➡️Milaza ireto tovolahy ireto fa manana merkiora ary mitady olona hividy izany. Efa nahazo vola 3 tapitrisa Ariary izy ireo tamin’io fomba fisolokiana io ka izao tratra izao ihany.
➡️Nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria izy ireo mba hanokafana fanadihadiana. Efa tonga nametraka fitoriana ihany koa ilay olona lasibatra tamin’ny fisolokiana nataon’izy ireo.

 

TOVOLAHY 02 MPISOLOKY HO MANANA MERKIORA TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY TEO AMPANAOVANA NY ASA RATSY

Vous pourrez aussi aimer