Famparahan-dalàna
✅Vantany vao nahare tamin’ny mponina teny Ankatso ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Ambohijatovo, ny harivan’ny Alarobia 19 Jona 2025, fa misy lehilahy iray mitonona ho mpitandro ny filaminana mandrahona olona no sady mitaky vola dia nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny Polisimpirenena nijery izany.
➡️Rehefa nanontaniana ity lehilahy ity dia nitonona ho mpitandro ny filaminana ary nampiseho karatra milaza fa manamarina izany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy anefa dia fantatra fa tsy mpitandro ny filaminana izy ka nosamborina avy hatrany ary nentina teny amin’ny birao nanokafana famotorana savaranonando.
➡️Nampidirin’ny fampanoavana am-ponja vonjimaika teny Antanimora ity mpisandoka ity ny Asabotsy teo.

 

LEHILAHY IRAY 25 TAONA NISANDOKA HO MPITANDRO NY FILAMINANA NOSAMBORIN’NY POLISY TENY ANKATSO

Vous pourrez aussi aimer