👉 ❌ Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina ❌
➡️Avy amin’ny fampitam-baovao nataon’olon-tsotra tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ity tovolahy mpidoroka rongony ity, tao amin’ny fokontany Ikelilalina tao Vatomandry, ka nanaovan’ny Polisy vela-pandrika hahafahana misambotra azy. Ny 22 Jona 2025 izy no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Vatomandry.
➡️Nandritra ny fanadihadiana natao taminy no nanoroany ny lehilahy hafa voatondro ho mpivarotra sy tompon’antoka amin’ny fanapariahana rongony ao Vatomandry. Rehefa natao ny fisavana dia hita tao atranon’ity lehilahy iray hafa ity ny voana rongony marobe, nosamborina avy hatrany izy ary nentina any amin’ny biraon’ny Polisy hanokafana fanadihadiana mialohan’ny fanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

VATOMANDRY : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FITAZONANA SY FIVAROTANA RONGONY

Vous pourrez aussi aimer