Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
➡️Tovolahy miisa 7, izay mbola misy tsy ampy taona, manao fikambanana andian-jatovo antsoina hoe « Foroche » no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tanambao Soafeno Antsiranana.
➡️Fantatra fa malaza ratsy amin’ny fandikan-dalàna samihafa toy ny fandrahonana amin’ny fitaovam-piadiana sy zava-maranitra, fanaovana herisetra sy ady an-dalambe ary miteraka horohoro sy tsy fandriampahalemana ho an’ny mponina ao an-tampontanànan’Antsiranana ireto tanora ireto.
✅Natolotra ny fampanoavana ny Alatsinainy 7 Jolay 2025 izy ireo ka nampidirina am-ponja vonjimaika.