Tsy mitsahatra manome fahafaham-po ho an’ireo olona mikarakara pasipaoro ny Sampandraharahan’ny Polisimpirenena misahana ny famoahana Pasipaoro eo anivon’ny Fitaleavana misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina, mba hialàna amin’ny filaharana lavareny.
✅Tanjona amin’izany ny hanafainganana hatrany ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fahazoana pasipaoro. Araka ny fanazavan’ny Commissaire de Police RANDRIATSIRAKA Martial, Lehiben’ny Sampandraharaha fikarakaràna ny pasipaoro.
➡️Araka izany, azo efaina mivantana amin’ny alàlan’ny internet sy Mobile Money ny saran’ny fanamboarana ny pasipaoro. Azo atao avokoa izany ho an’ireo laharana finday rehetra misy eto Madagasikara.
Ity fanavaozana ity dia tafiditra anatin’ny fametrahana sy fampiasana ny SIGRNF (Système Intégré de Gestion des Recettes Non Fiscales), rindram-baiko iray mikendry ny fitantanana mangarahara sy mahomby, eo ambany fitantanan’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny sampandraharaha misahana ny famoahana pasipaoro.
➡️Efa misy ireo mpiasa eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famoahana pasipaoro manao ny toro lalana ho an’izay mandoa ny vola amin’ny alalan’ny internet sy ny Mobile money.
➡️Mbola azo atao ihany koa ny mandoa vola mivantana amin’ny fikarakaràna ny pasipaoro.

FANATSARANA EO ANIVON’NY SAMPANDRAHARAHA MISAHANA NY FANAOVANA PASIPAORO ANOSY : AFAKA MANDOA NY SARANY AMIN’NY ALÀLAN’NY INTERNET SY NY « MOBILE MONEY » IREO OLONA REHETRA MIKARAKARA PASIPAORO.

Vous pourrez aussi aimer