Ady amin’ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo ary ny heloka mamoafady
_Renim-pianakaviana iray no nametraka fitoriana tao amin’ny Polisin’ny Cybercriminalité Anosy ny 16 Jolay 2025, momba ny zanany vavy 14 taona, izay niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ity lehilahy 34 taona ity.
_Fantatra fa manao ranty amin’ny Facebook izy, milaza fa mitady vehivavy tanora, hanao dokam-barotra ary karamaina hatramin’ny 2 tapitrisa ariary. Rehefa tonga anefa ilay vehivavy dia alainy sary manao fihetsika mamoafady sy mampiasa fitaovana samihafa mifandraika amin’izay ; mbola tereny hanao firaisana ara-nofo aminy ihany koa aorian’izay.
_Betsaka ireo vehivavy no efa lasibatra tamin’ity asa mamofady ity saingy tsy sahy mitoroka noho ny fandrahonana ho famoahana ireo horonan-tsary mamoafady ataon’io lehilahy io. Tsy nanaiky lembenana kosa ny renin’ity zazavavy 14 taona izay lasibatra ka nitory.
✅Ny 19 Jolay 2025 izy no voasambotra teny Antsahavola. Natolotra ny fampanoavana ny Alarobia 23 Jolay 2025 ary nidoboka any Tsiafahy.

 

VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ILAY LEHILAHY MPAMITAKA VEHIVAVY AO ANATY FACEBOOK HO MITADY “MODEL PHOTO”, AMPANAOVINY HORONANTSARY MAMOAFADY IREO VEHIVAVY ARY AOLANY AVY EO, HATRAMINA ZAZA VAVY KELY TSY AMPY TAONA NO EFA LASIBATRA TAMIN’IZANY

Vous pourrez aussi aimer