👉Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
đź‘®Loharanom-baovao mari-pototra no nahafantaran’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Voalohany ao Tanambao V Antsiranana fa misy lehilahy mivarotra rongony, mitazona sy mitahiry izany ao an-tranony. Vokatr’izany dia nanao velam-pandrika sy fidinana tampoka ny Polisy ny 02 Aogositra 2025, tao amin’ny trano fonenan’ilay lehilahy ao Mahatsara, Diego.
👮Nandritra ny fisavana dia nahitana rongony maro efa vita fonosana tao an-tranony, nafenina tamin’ny toerana samihafa saingy hita ihany izy rehetra. Nitotaly 2,2 kilao ireo rongony rehetra hita tao amin’ity lehilahy ity.
👮Nosamborina avy hatrany izy ary nentina teny anivon’ny kaomisaria natao fanadihadiana. Taorian’izay dia natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika ny 6 aogositra 2025.
LEHILAHY MPIVAROTRA RONGONY AO AN-TRANONY TANY MAHATSARA, DIEGO, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
