-Antananarivo, 12 Aogositra 2025 – Nisokatra androany teto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC, izay enti-manomana ny fihaonana an-tampony faha-45n’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny Governemanta.
Nandray ny fitantanana izany Filan-kevitry ny Minisitra izany androany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy , nandimby ny Profesora Amon Murwira, Minisitra misahana ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra Iraisam-pirenena avy any Zimbabwe. Haharitra herintaona (Aogositra 2025 – Aogositra 2026) ny fe-potoana iasany.
Izao fandraisantsika ny fitantanana ny Filan-kevitry ny Minisitry ny SADC izao dia maneho ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aty amin’ny Faritra atsimon’i Afrika sy ny fampandrosoana maharitra ny vahoaka ao anatin’ny Vondrona SADC.

FISOKAFAN’NY FILANKEVITRY NY MINISITRA SADC ETO ANTANANARIVO SY FAMINDRAM-PITANTANANA

Vous pourrez aussi aimer