Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy asan-jiolahy
-Nahare angom-baovao ny Polisy ao Farafangana fa misy jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mihaodihoady ao an-tampon-tanàna.
-Nanara-maso sy niatrana tamin’ny toerana voatondro fa fivezivezen’ity olon-dratsy ity ny Polisin’ny FIP ao Farafangana mba hahafahana manakana ny asa ratsy kasainy ho atao sy misambotra azy.
-Rehefa hisambotra azy anefa ny Polisy ny maraimben’ny 21 Aogositra 2025 dia namaly sady namoaka basy ity jiolahy ity, tsy maintsy niaro-tena ireo Polisin’ny FIP ka maty vokatry ny ratra mafy tamin’ny tifitra nahazo azy ilay jiolahy.
JIOLAHY IRAY MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA TAO FARAFANGANA