🛡️ Ady amin’ny herisetra sy fiarovana ny ankizy
📍 Notanterahina ny 14 Oktobra 2026 tao amin’ny Kaominina Bemasoandro Itaosy ny valandresaka momba ireo karazana herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fiarovana ny ankizy, niarahana tamin’ny BFP Tsaralalàna sy ny Association V.I.N.A.
🤝 Nanotrona izany ny Lehiben’ny Distrikan’Antsimondrano sy ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Itaosy.
📢 Taorian’ny fanokafana dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Fokontany Ambohinjafy, notarihin’ny BFP sy ny Ben’ny Tanàna ary ny lehibem-pokontany, mba hampahafantarana ny mponina ireo karazana herisetra sy ny fisorohana izany.
✅ Nizotra araka ny tokony ho izy ny fihaonana tamin’ny vahoaka, ary tsapa fa liana tamin’ny fanentanana sy fifampizaràna ireo mpandray anjara.

BEMASOANDRO ITAOSY : TONTOSA NY VALANDRESAKA MOMBA NY FISOROHANA NY HERISETRA SY NY FIAROVANA NY ANKIZY, NIARAHANA TAMIN’NY BFP SY NY FIKAMBANANA V.I.N.A

Vous pourrez aussi aimer