-Tontosa ny 22 Aogositra 2025 tao Nosy Be ny lanonana famaranana ny fiofanana momba ny ady amin’ny heloka bevava an-dranomasina, izay niarahana tamin’ny Interpol.
– Polisimpirenena miisa 22 no nahavita ny fiofanana ary nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana, izay natolotry ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao DIANA, ny Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Maurice Joël. Nambarany nandritra izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fampiofanana ireo Polisy eo amin’ny sehatry ny fanatanterahana ny asa.
– Notsindriany ihany koa fa ilaina ny fanohanan’ny Interpol amin’ny fananganana sampana manokana misahana ny raharaha an-dranomasina eto Nosy Be, izay antenaina ho fototra hanamafisana ny fiarovana sy ny filaminana eny amin’ny fari-dranomasina.

FAMARANANA NY FIOFANANA MOMBA NY HELOKA BEVAVA AN-DRANOMASINA NATAON’NY POLISIMPIRENENA MIASA AO NOSY BE, NIARAHANA TAMIN’NY INTERPOL

Vous pourrez aussi aimer