Ady amin’ny asan-jiolahy
-Voasakan’ny Polisimpirenena ny fanafihana mitam-piadiana saika ho ataona andian-jiolahy tao Tanamakoa, Toamasina, ny marainam-ben’ny Talata 09 Septambra 2025.
-Jiolahy raindahiny miisa efatra (04) mitam-piadiana no nifanehatra tamin’ny Polisin’ny UIR sy ny CSP1 teny an-toerana.
-Araka ny fampitam-baovao voarain’ny Polisy, nisy andian-jiolahy nikononkonona hanao asa ratsy tao Tanamakoa.
-Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ary nahita olona efatra manao fihetsika mampiahiahy. Raha vao nahita ny mpitandro ny filaminana anefa izy ireo dia nitifitra avy hatrany.
-Vokany, raikitra ny fifandonana ka roa tamin’ireo jiolahy no voatifitra maty teo no ho eo, raha toa kosa ka roa hafa tafaporitsaka rehefa nahita ireo namany lavo.
-Mbola hita teny amin’izy ireo ny basy iray nampiasainy niaraka tamin’ny chargeur nisy bala dimy.
-Fantatra fa jiolahy vao avy nandray anjara tamina fanafihana mpitantana tobin-tsolika ao Toamasina, ny 01 Septambra 2025, ary hitan’ny « caméra de surveillance » ireto lavo ireto.
-Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa mikasika ity raharaha ity.