Ady amin’ny halatra isan-karazany
-Olona telo no voasambotry ny Polisin’ny FIP avy ao Anjozorobe noho ny trangana halatra solika amin’ny tetikasa lalambe migodana tao Mangamila, distrikan’Anjozorobe.
-Ny alin’ny 05 septambra 2025, nandritra ny fisafoana, dia nahasambotra lehilahy roa avy ao Antanetibe ny Polisy. Tratra niaraka tamin’ny daba mavo miisa 03 feno solika izy roa lahy ireto.
-Fantatra fa nangalarina tao amin’ny tobin’ireo mpiasa ao amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana ao Mangamila ireo solika.
-Rehefa natao ny fanadihadiana, dia nanonona ny mpiray tsikombakomba aminy izy roa lahy, izay vadin’ny iray tamin’ireo voasambotra ihany, sady mpitahiry ireo solika nangalarina.
-Noho izany, ny marainan’ny 06 septambra 2025, dia voasambotra ihany koa ity vehivavy 36 taona ity. amin’ny fitahirizana sy famindrana ilay lasantsy.
-Fantatra fa mbola misy mpiray tsikombakomba an’ireto mpangalatra solika ireto karohina.
-Solika miisa 48 daba mavo no efa azon’izy ireo.
-Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalina ataon’ny Polisimpirenena mikasika ity raharaha ity ary ho atolotra ny Fampanoavana izy ireo rehefa vita ny famotorana savaranonando.