Fijerena ny lafiny maha olona
– Zaza kamboty 58 avy ao amin’ny Akany Ambatolampy sy 79 avy amin’ireo Kamboty Ivelan’ny Akany (KIA) no nahazo fitaovam-pianarana sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny cahier, penina, kitapo, lamba firakotra, akanjo mafana, ho fiatrehana ny taom-pianarana 2025.
– Natao tany amin’ ny Akany Ambatolampy sy tetsy amin’ ny kaomisaria foibe Tsaralalana ny fanolorana ireto fanomezana ireto ny Zoma 12 Septambra 2025.
– Notarihin’ Andriamatoa BRET sy Ramatoa SUZANNE BUTLER, mpiara-miombon’antoka mpilatsaka antsitrapo mpanao asa soa avy any Amerika, sy Andriamatoa RASAMOELA Fanomezantsoa Patrick Henri, mpanolotsaina teknika eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka izany.
– Nisaotra sy nankasitraka izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala mivady, ary nanome toky fa ho tonga soa aman-tsara any amin’ ireo ankizy ny fanomezana.
✅ Namporisika sy nankahery ireo ankizy ihany koa izy mba hiezaka sy hilofo mafy amin’ny fianarana sy mba hitombo fahendrena hatrany.

ZAZA KAMBOTIN’NY POLISIMPIRENENA AO AMBATOLAMPY SY NY KAMBOTY IVELAN’NY AKANY : NAHAZO FITAOVAM-PIANARANA SY KOJAKOJA ILAINA AMIN’NY FIANANA ANDAVAN’ANDRO HO ENTINA MIATRIKA NY TAOM-PIANARANA.

Vous pourrez aussi aimer