Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
– Tontosa ny Alarobia 17 Septambra 2025 ny andro faharoa amin’ny fiofanana sy fanampim-pahaizana ho an’ireo Polisimpirenena vehivavy mandrafitra ny Brigade Féminine de Proximité na ny BFP, tao Tsiroanomandidy, renivohitry ny Faritra Bongolava.
– Nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, notronin’ireo manam-pahefàna isan-tokony sivily sy miaramila ao Tsiroanomandidy sy ny faritra Bongolava.
– Ankoatran’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy izay fampiharan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny Politikam-panjakàna miompana amin’izany, dia fanatanterahana ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka ihany koa ny fametrahana ny BFP.
– Hiasa eny anivon’ny vahoaka izy ireo ary azon’ny olom-pirenena rehetra hatonina amin’ny fakan-kevitra na fandraisana an-tanana sy torolanana momba ny trangana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na mahavavy, tahaka ny herisetra ao an-tokantrano sy ny herisetra ara-nofo.
BFP faha-13 tafajoro manerana an’i Madagasikara ity tafapetraka ao Tsiroanomandidy ity.