🤝 Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
đź“… Tontosa ny 18 oktobra 2025 tao amin’ny Tranompokonolona Tsiroanomandidy ny fampiofanana natokana ho an’ireo lehiben’ny Fokontany miisa 16, « quartiers mobiles » ary mpikamban’ny andrimasom-pokonolona, nokarakarain’ny DRSP Bongolava ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Polisimpirenena sy ny manampahefana eo an-toerana.
📚 Nampitaina tamin’ireo mpandray anjara ny lohahevitra momba ireo lalĂ na mifehy ny Fokontany sy ireo andraikitra hiaraha-manana eo amin’ny Polisimpirenena sy ireo vondron’olona ifotony amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra.
đź”· Fanohizana sy fanamafisana ny Politikan’ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka ny fikarakarana hetsika tahaka izao. Maherin’ny 150 ireo tompon’andraikitra eny ifotony no nandray anjara tamin’ity fiofanana ity.

DRSP BONGOLAVA : NAMPIOFANINA MOMBA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY POLISIMPIRENENA SY NY MANAMPAHEFANA IREO LEHIBEM-POKONTANY, « QUARTIERS MOBILES » ARY MPIKAMBAN’NY ANDRIMASOM-POKONOLONA AO TSIROANOMANDIDY

Vous pourrez aussi aimer