– Ady amin’ny fisolokiana
– Lehilahy iray sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisimpirenena tao Manakara noho ny raharaha fisolokiana amin’ny alalan’ny hafatra maro sosona amin’ny finday.
– Ny 03 novambra 2025, nisy olona mipetraka sy monina eto Antananarivo nahazo hafatra tamin’ny finday nilaza hoe:“Faly miarahaba anao izahay aty amin’ny FID. Ianao dia voasarika nahazo vola 20 000 000 Ar avy amin’ny Tosika Fameno. Antsoy ity laharana 038 76 85 951 ity mba hahafahanao mandray izany.”
-Nametraka fitoriana tao amin’ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena miady amin’ny heloka anabaka tao Anosy (Cybercriminalité) izy noho izany.
– Misy amin’ireo olon-tsotra mahafantatra fa fisolokiana ity fomba fiady ity ka nanaitra ireo tompon’antoka amin’izany amin’ny alalan’ny antso dia mahazo ompa sy teny manafintohina.
– Misy kosa ireo voafitaka ka miantso ary asainy mandefa vola izay lazaina fa saran’ny famoahana ilay fanomezana.
– Maro ny fitarainana voaray amin’ity fomba fisolokiana ity.
– Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisimpirenena, fantatra fa tany Manakara no misy ireto mpisoloky ireto.
– Nisy fiaraha-miasa akaiky tamin’ny Polisimpirenena ao amin’ny DRSP Fitovinany, ka nahafahana nisambotra azy ireo.
– Ho atolotra ny Fampanoavana ireto mpisoloky ireto rehefa vita ny famotorana savaranonando ataon’ny Polisimpirenena.
