– Ady amin’ny asan-jiolahy
– Nisy fanafihana mitam-piadiana nitranga tao amin’ny Fokontany Anjatoka III, Kaominina Ambovombe Androy, ny harivan’ny Asabotsy 08 Novambra 2025.
– Tonga ara-potoana teny an-toerana ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Androy raha vao nahare ny tranga tamin’ny alalan’ny fampandrenesana.
– Tsy tanteraka noho izany ny fikasàn’ireo olon-dratsy, ka nandositra avy hatrany izy ireo raha vantany vao nahita ny Polisimpirenena avy lavitra.
– Nandritra ny fifanenjehana dia narian’ireo jiolahy ny basy poleta iray nampiasainy.
– Araka ny fantatra, miisa efa-dahy (04) samy tsy nisaron-tava ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nitondra basy poleta iray, ary antsy roa, ary ny iray nitsirika ny tany ivelany.
– Mitohy araka izany ny fikarohana ataon’ny Polisimpirenena ireo andian-jiolahy ireo.