✅ Ady amin’ny heloka mamoafady
🎯 Zazavavy kely roa, 10 sy 8 taona, no niharan’ny fanolanana sy herisetra ara-nofo nataona lehilahy iray tao amin’ny Fokontany Ampasamanatongotra, Kaominina Ambanivohitra Miarinarivo II, ny zoma 07 novambra 2025.
🔹 Araka ny fantatra dia lehilahy iray 43 taona ity nahavanon-doza tamin’ny fanolanana sy ny fikasàna hanolana ity, ary niray tsikombakomba taminy ny vadiny.
🔹 Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena sy ny fanamarinana nataon’ny mpitsabo tao amin’ny CSB II Miarinarivo, dia voamarina fa nisy tokoa ny fanolanana natao tamin’ny iray tamin’ireo zazavavy ary ny iray kosa dia efa nanaovany fikasàna amin’izany filan-dratsy izany.
🔹 Natolotra ny fampanoavana ny 10 Novambra 2025 izy mivady, ary nampidirina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo.