🚓 Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
🚧 Anisan’ny faritra tena betsaka fitohanan’ny fifamoivoizana ny eny Andohatapenaka, Coco Plastique, Ampasika, 67ha, CENAM ary Andavamamba ; manao ny fara-heriny ireo Polisimpirenena miasa eny amin’iny faritra iny indrindra amin’ny fotoana mahabe ny mpivezivezy.
📢 Misy ny fandaminana sy famerimberenana hatrany ny fanajàna ny lalàn’ny fifamoivoizana, ny fifanajàna eo amin’ireo mpampiasa lalana, ny fifandeferena mba hampirindra ny fizotran’ny tohim-boivoy eny an-dalambe.
🛵 Entanina manokana ny mpitondra moto sy taxi-bisikileta, mba hanaraka fitsipika sy hitandrina.
🔄 Hitohy hatrany ny hetsika tahaka izao, indrindra amin’ireo faritra be fitohanana, amin’ny tanjona hanatsarana hatrany ny fifamoivoizana sy fampahatongavan-tsaina ny mpampiasa lalana amin’ny maha zava-dehibe ny fanajàna ireo lalàna sy fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ka hampirindra izany.

ANTANANARIVO : FANALEFAHANA NY FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA, FANENTANANA AMIN’NY FANARAHAN-DALANA

Vous pourrez aussi aimer