– Notanterahina ny Zoma 21 Novambra 2025 tao amin’ny SEKOLIM-PIRENENA ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato ny lanonana manamarika ny fandraisana fibaikoana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena vaovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, izay vao nandray ny andraikiny.
-Nisy araka izany ny fanolorana ny fanevan’ny Fibaikoana ny Polisimpirenena ho mariky ny fandraisana izany fibaikona izany, natolotry ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, ho an’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena.
– Nirary soa sy nitsodrano azy Andriamatoa Minisitra mba hahavita be amin’ny andraikitra lehibe hiantsorohany ka ho Fanilo hitarika ny Polisimpirenena amin’ny fanavaozana sy fihavaozana izay hitondràna amin’ny fanarenana maharitra ny filaminambahoaka sy ny ady amin’ny kolikoly.
– Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry sy ny Médecin colonel ZAFITASONDRY RANOELSON Manantenasoa Marcellin, niaraka tamin’ireo Minisitra solotena mpikambana ao amin’ny governemanta, ireo olom-boafidy, ary ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy avy ao anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ary ireo olomanan-kaja maro, sivily sy miaramila.
– Nanome toky ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena fa hanao izay fara heriny hanatanteraka ny vinan’ny Repoblika fanavaozana, ao anatin’izany ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny Fanjakana sy ny vahoaka, ary indrindra ny famaliana ny filàna fototra ilain’ny vahoaka eo amin’ny lafiny fitandroana ny fandriampahalemana.
– Tsy adinony ihany koa ny nisaotra ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena teo aloha, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius, tamin’ny andraikitra izay nosahininy.

