✅ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Ny 22 Novambra 2025 – Lehilahy iray no tratran’ny Polisimpirenena teo am-pangalarana kodiarana sy kojakojana fiara hafa tao Ambohitrarahaba. Rehefa nahatsikaritra olona mampiahiahy nivezivezy tao amin’ny garazy ny tompon-trano dia niantso Polisy. Teo am-pamahàna ny kodiarana mihitsy no tratra ity mpangalatra ity ka noraisim-potsiny.
– Ny 23 Novambra 2025 – Lehilahy enina no tratran’ny UIR Sabotsy Namehana tao Andobotany, teo am-pifohana rongony ka tsy afaka nandositra intsony. Mbola nahitàna fonosana rongony teny amin’izy ireo nandritra ny fisavàna.
-Ireo rehetra voasambotra dia nalefa avy hatrany tany amin’ny Kaomisaria Foibe Sabotsy Namehana mba ahafahana manohy ny fanadihadiana.

 

LEHILAHY ENINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA AVY AO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE AVARADRANO SABOTSY NAMEHANA NOHO NY FANGALARANA KODIARANA FIARA SY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA.

Vous pourrez aussi aimer