✅ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
-Ny Alatsinainy 24 Novambra 2025 maraina, lehilahy roa malaza amin’ny harom-paosy sy sinto-mahery no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Boriboritany faha-5 Mahamasina, tetsy amin’ny tsenan’Anosibe.
Mpiantsena sy olona maro mifamezivezy ao amin’ny io faritra io no tena lasibatr’izy ireo.
– Nanao hetsika manokana hamongorana izany asa ratsy izany ny Polisy ary efa nanara-maso avy lavitra ireo lehilahy ireo noho ny fihetsika mampiahiahy nataony.
– Vokatr’izany, tratra ambodiomby teo am-panatanterahana ny asa ratsy izy roa lahy ka noraisim-potsiny avy hatrany.
– Noentina tany amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo mba hanokafana sy hanohizana ny fanadihadiana.

 

TSENAN’ANOSIBE: MPANGARO-PAOSY SY MPANAO SINTOMAHERY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TEO AMPANAOVANA NY ASA RATSINY

Vous pourrez aussi aimer