✅ Notanterahina ny 27 Novambra 2025 maraina, tao amin’ny Lapan’i Tanàna tetsy Analakely, ny dinika lehibe momba ny fandrindràna sy fandaminana ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra. Notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka eto Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana sy ny Talen’ny Fitaterana ary ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe (DTMU) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, ny Commissaire Divisionnaire de Police AINANIRINA Albert Estel, ity fihaonana ity, ka niompana indrindra amin’ny fitadiavana vahaolana hoenti-mampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizan izany.
✅ Nandray anjara mavitrika tamin’ny dinika ireo solontenan’ny mpitatitra taxi-be sy taxi-ville, izay anisan’ny sehatra tena voakasika amin’ny olan’ny fitaterana sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo.
✅ Nodinihina nandritra ny fifampiresahana ny fampahafantarana ireo fepetra sy lamina vaovao amin’ny fitaterana, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpitatitra mba hampihenana ny fitohanana, ny fanatsarana ny fifampitokisana sy ny fifanakalozan-kevitra mivantana amin’ireo tompon’andraikitra, ary ny fikarohana vahaolana haingana sy maharitra ho enti-miatrika ny fitohanan’ny fifamoivoizana indrindra amin’izao fidirana amin’ny vanim-potoanan’ny fety izao.

