🚨 Ady amin’ny asan-jiolahy
📅 Taorian’ny fitoriana napetraky ny olona iray ny 23 Mey 2026 mahakasika halatra sy fidirana an-trano tsy nahazoana alalana teny Sabotsy Namehana dia nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy nahavita izany ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano Sabotsy Namehana.
✅ Rehefa tratra ny iray tamin’ireo jiolahy dia nanondro ny namany izay niara-nanao ilay asa ratsy ka voasambotra teny Ambohinaorina ity farany. Mbola hita tao an-tranony ny vilany lehibe iray izay nangalarina tao amin’ilay tokan-trano.
⛓️ Nanokafana fanadihadiana izy roalahy ary natolotra ny fampanoavana ny 29 Mey 2026 teo ka samy nidoboka am-ponja ao Antanimora avokoa.
🚨 Misy hatrany ny vokatra azo rehefa tsy misalasala manome vaovao momba ireo olon-dratsy karohina ny olom-pirenena tsara sitra-po. Ny Polisimpirenena etsy an-kilany dia tsy mikely soroka mampiasa ny fahaiza-manaony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra.

SABOTSY NAMEHANA : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SY FIDIRANA AN-TRANON’OLONA AN-KERINY.

Vous pourrez aussi aimer