– Tontosa ny Alarobia 30 Septambra 2026 ireo hetsika ivon’ny fankalazàna ny faha-65 taonan’ny Polisimpirenena.
– Natomboka tamin’ny hazakazaka manodidina ny farihin’Anosy sy ny Zumba tao amin’ny Kianja Barea, nanehoana ny firaisan-kina sy ny firahalahian’ireo Polisimpirenena izany.
– Nitohy tamin’ny fitokanana ny « terrain d’honneur » sy ny takela-bato manamarika manokana ny faha 65 taonan’ny Polisimpirenena; fitokanana ny kianja filalaovana basikety etsy Anosy izay narahina fanomezana marim-pankasitrahana ho an’ireo Polisy mendrika tamin’ny fifaninana ASIEF 2026.
– Nofaranana tamin’ny fitokanana ny toerana fialamboly sy fanaovan-danonana « MESS » teny Antanimora ny hetsika. Hefitrano lehibe izay azon’ny rehetra ampiasaina ary nohavaozina ihany koa niaraka tamin’ny « Dojo » an’ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisimpirenena eny Antanimora.
– Ankoatra izay dia natolotry Minisitry ny Filaminambahoaka teny amin’ny tobin’ny FIP Antanimora ny fiara Ambulance sy moto ho an’ny Polisimpirenena avy amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Fondation Viséo ; fiara tsy mataho-dalana roa ho an’ny USI (Sakamainty) ary nisy ny fampisehoana ireo aliaka voabaiko miisa 2 izay ampiasain’ny USI ihany koa.
– Nitarika izao lanonana izao ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, notronin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, ary ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
– Samy nanamarika ny andro fankalazàna ny faha 65 taonan’ny Polisimpirenena avokoa ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka rehetra manerana an’i Madagasikara.

 

FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONAN’NY POLISIMPIRENENA : NIZOTRA TAO ANATIN’NY FIRAISANKINA SY FIFANKATIAVANA

Vous pourrez aussi aimer