– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
– Manoloana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana sy fanafihana nisesisesy tao Ambatondrazaka dia nametraka paikady manokana nahafahana mifehy izany sy nisambotra ireo olon-dratsy ny Polisimpirenena ao an-toerana. Nisy ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny sampandraharahan’ny Fikarohana fandikan-dalàna (SRPJ) Alaotra Mangoro sy ny Kaomisaria Ambatondrazaka manoloana izany.
– Vokatry ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny Polisimpirenena dia fantatra ny iray tamin’ireo jiolahy izay isan’ny nandray anjara tamin’ireo fanafihana ka voasambotry ny Polisy ny 4 Desambra 2025. Niaiky ny heloka nataony sy nanoro ireo namany ity jiolahy ity nandritra ny fanadihadiana ka io andro io ihany dia voasambotra ihany koa ny iray tamin’ireo jiolahy rehefa nanaovana vela-pandrika.
– Mandritra izany rehetra izany dia voasambotry ny Polisimpirenena ihany koa ny mpiray tsikombakomba hafa izay misy mpanome vaovao sy mpiasa na mpiara-miasa amin’ireo olona voatafika ihany. Vehivavy roa sy lehilahy telo ireo voasambotra ireo.
– Ny alin’ny 4 Desambra 2025 dia nanaiky hanoro ny toerana hiafenan’ireo namany hafa mbola karohina ny roa tamin’ireo jiolahy kanjo teny an-dalana dia nanararaotra nanohitra sy naka an-keriny ny basin’ny Polisy izy ireo. Tsy maintsy niaro tena noho izany ireo Polisy ary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ka maty vokatry ny ratra nahazo azy ireto jiolahy roa ireto.
– Fantatra fa trano iray tao 67ha, Antananarivo no fanafenan’izy ireo ny entana izay nangalariny ka efa nogiazana natao ho porofo ireo entana azo. Ho averina amin’ny tompony rehefa vita fanamarinana sy ny alalana avy amin’ny fitsaràna.
– Mitohy kosa ny fanadihadiana sy fikarohana ireo namany hafa izay tafiditra amin’ireny raharaha fanafihana tao Ambatondrazaka ireny.

