– Ady amin’ny halatra sy fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
– Nandritra ny asa fisafoana nataon’ny Polisy tao amin’ny faritry ny tetezan-dRamala, eny Isotry iny ny tolakandron’ ny 06 Desambra 2025, dia olona enina (06) no voasambotra tamin’ny resaka harom-paosy, tratra ambodiomby avokoa izy rehetra.
– Mpivady iray niantsena teny an-toerana no efa lasibatr’izy ireo ihany koa talohan’izay ka nametraka fitarainana tamin’ireo Polisy miasa eny an-toerana.
– Zaza tsy ampy taona avokoa ny 5 tamin’ireto mpangarom-paosy ireto ary efa nentina teny anivon’ny Polisy misahana ny heloka mamoafady sy fiarovana ny zaza (PMPM) Tsaralalàna mba hanokafana fanadihadiana.
– Ny iray tamin’ireo voasambotra kosa dia lehilahy 32 taona, ary fantatra fa izy no mpaniraka sy mpamporisika ireo zaza ireo amin’ny fanaovana harom-paosy.
– Ny Polisimpirenena dia manentana ny olom-drehetra mba hitandrina sy ho mailo hatrany rehefa eny amin’ny toerana be olona, indrindra amin’izao fahatongavan’ny vanim-potoan’ny fety izao, fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy tahaka ity tranga iray ity, izay tsy vao voalohany no nahitàna ny tahaka izany.

 

LEHILAHY IRAY MPAMPORISIKA SY MPITAONA ZAZA TSY AMPY TAONA AMIN’NY HAROM-PAOSY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer