– Ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna.
– Ny maraim-ben’ny 16 Desambra 2025 tokony tamin’ny 3 ora sy sasany, nandritra ny fisafoana nataon’ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Hery Vonjy Taitra teo Antaravay, Kaominina Toliara, no nisy lehilahy iray tratra nitondra basy tsy ara-dalàna, nandritry ny fisavana azy no nahitàna ireo basy vita gasy miisa roa ireo.
– Natolotra ny Sampan-draharaha misahana ny fanenjehana ny fandikan-dalàna (SRPJ) izy mba hanohizana ny fanadihadiana. Ireo basy roa kosa dia nogiazana sy tazomina ao amin’ny toeran’ireo fitaovam-piadiana ao amin’ny tobin’ny Hery Vonjy Taitra Atsimo-Andrefana.

 

TOLIARA : LEHILAHY IRAY NITAZONA BASY TSY ARA-DALÀNA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRY NY FISAFOANA TAO ANTARAVAY.

Vous pourrez aussi aimer