– Notanterahina ny 22 Desambra 2025 ny Noelin’ny Ankizy, ho an’ireo zaza kambotin’ny Polisimpirenena ao amin’ny Orphelinat Ambatolampy.
– Tonga nanotrona sy nitarika izany tany an-toerana ny vadin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, Ramatoa Lantosoa ERICK MICHEL, niraka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nanome voninahitra ity fotoana ity ny Solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Ambatolampy, Andriamatoa RAKOTOMALALA Miarintsoa.
– Tsy nanadino ireo kambotin’ny Polisimpirenena ramatoa Vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ramatoa Elysa RANDRIANIRINA ka nanolotra fanomezana sy nandefa iraka tamin’ity fotoana ity.
– Isan’ireo malala tanana ka nahatsiaro ireo kambotin’ny Polisimpirenena sy ireo kamboty Ivelan’ny Akany (KIA) ny Disciple Escoffier de Madagascar izay nanolotra mofo mamy lehibe amin’izao fetin’ny Noely izao. Nitarika ny Disciple Escoffier de Madagascar tamin’ity fanomezana ity Andriamatoa Julien LORAY izay lehiben’ny Propain; Chef Lalaina RAVELOMANANA, filoha lefitra ary chef Zo avy ao amin’ny Candera.
– Isan’ireo nanolotra fanomezana ihany koa ny « Association chinoise et des jeunes chinois à Madagascar », ny APAIPM, ny groupe Vision Madagascar « VIMA ».

 

AKANIN’NY ZAZA KAMBOTIN’NY POLISIMPIRENENA AMBATOLAMPY : NAHAZO FANOMEZANA MARO AVY AMIN’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA SY IREO MPIARA-MIASA

Vous pourrez aussi aimer