– Notanterahina ny 29 Desambra 2025, tetsy amin’ny foiben’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka etsy Anosy, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny Lehiben’ny Fitsirihana anatiny ao amin’ny Polisimpirenena (IGPN) vao nandray ny asany, sy ny teo aloha ; toy izany koa ny teo amin’ireo Tale vao notendrena sy ireo Tale teo aloha, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny Alatsinainy 22 Desambra 2025.
– Nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, nanotrona izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor sy ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisitera sy ny Polisimpirenena.
– Ireto avy ireo andraikitra nifandimbiasana nandritra ny fifamindram-pitantanana :
– Coordonnateur, Chef de l’Inspection Générale de la Police Nationale : noraisin’ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro ny fitantanana, nandimby ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA Andriamarolahy Fanomezantsoa.
– Directeur de la Police Judiciaire : ny Commissaire Principal de Police RABENANDRASANA Jean Marcel no nandray ny asany, nandimby ny Contrôleur Général de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy.
– Directeur de la Recherche et de la Formation Continue : vao voatendry ny Commissaire Principal de Police OSTROM Whenss, nandimby ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierette Marie Françoise.
– Directeur de la Police Économique : notendrena handray ny andraikitra ny Commissaire Principal de Police RAFANOMEZANTSOA Brunel, nisolo ny Commissaire Principal de Police RABENANDRASANA Jean Marcel.
– Directeur Régional de la Sécurité Publique Analamanga : ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis no nandimby ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana.
– Directeur Régional de la Sécurité Publique Bongolava : notendrena amin’izany ny Commissaire Principal de Police RAZAFIARISON Elutin, nandimby ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
– Nandritra ny lahateny dia nitso-drano ireo tomponandraikitra ambony vao nandray ny asany Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ary nanentana azy ireo hanatanteraka am-pahavitrihana sy amim-pahamatorana ny adidy sahaniny.
– Nomarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena tamin’ny fandraisany fitenanana fa mitaky fahavononana, fahombiazana ary fitondràna fanavaozana ny fanatanterahana ny vinan’ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, izay tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fotoana voafaritra.





