– Tontosa ny Zoma faha 09 Janoary 2026 teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato , ny lanonana ofisialy fametrahana galona ho an’ireo Polisimpirenena niakatra ho Commissaire Principal de Police sy Commissaire de Police de 1ère Classe.
– Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL WOULI SOUMAH IDRISSA. Nahafahana nahazo izao fisondrotana eto anivon’ny Polisimpirenena izao ny fanomezan-dalana avy amin’ny Filohan’ny Fanavaoazana ny Repoblikan’i Madagasikara hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony ka nitondra fankasitrahana manoaka izany ny tenany. Notsindriany fa mitaky vokatra mivaingana eo amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana sy ny fiainam-bahoaka, ary ao anatin’ny fanajàna ny fitsipi-pifehezana ato anatin’ny Polisimpirenena izao fisondrotana izao. Mitombo ny andraikitra rehefa mitombo ny laharam-boninahitra hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka ka nankahery ireto Polisimpirenena ireto izy mba hazoto hatrany amin’ny asa ho an’ny mpiray Tanindrazana.

TONTOSA TENY AMIN’NY SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO NY LANONANA FAMETRAHANA NY GALONA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NISONDROTRA LAHARAM-BONINAHITRA COMMISSAIRE PRINCIPAL DE POLICE SY COMMISSAIRE DE POLICE DE 1ERE CLASSE.

Vous pourrez aussi aimer