– Ny 21 janoary 2026 tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Ambohidratrimo tao anatin’ny opération « MAHOMBY » no voasambotra ny mpivarotra rongony iray tao amin’ny fokontany Mandrosoa–Ivato.
– Vaovao azo avy amin’olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra ity lehilahy ity.
– Rehefa avy nanao fanamarinana ny Polisy dia napetraka avy hatrany ny paikady hahafahana misambotra azy. Rehefa natao ny fisavàna dia nahitàna fonosana rongony miisa 200 teny aminy, izay fantatra fa natao ho amidy.
– Efa mpamerin-keloka ity mpivarotra rongony voasambotra ity satria efa nigadra enim-bolana tamin’ny taona 2024 noho ny raharaha mitovitovy amin’izao ihany.
– Nentina eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena moa ity lehilahy ity hanohizana ny fanadihadiana.

 

MANDROSOA–IVATO : MPIVAROTRA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY OPÉRATION « MAHOMBY ».

Vous pourrez aussi aimer