– Fametrahana ny mangaraharaha sy fanjakàna tsara tantana
-Tonga nanara-maso ny fifaninana fandraisana ho mpianatra « Agent de Police » tetsy amin’ny Lycée Rabearivelo sy ny EPP Analakely ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny Alahady 1 Feborary 2026 ; notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL.
-Tonga teny an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny fampananana Asa sy ny asam-panjakàna ary ny avy amin’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly na ny BIANCO. Fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta ny hampizotra araka ny lalàna velona ny fifaninana ary koa ho fiantohana ny fahadiovan’izany amin’ny alalan’ny fanaraha-maso tsy tapaka.
-Tanjona ny hametraka fifaninana mangaraharaha sy madio ka hampitovy ny herijika eo amin’ireo mpiadina hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ity fidinanana ifotony nataony ity.
– Namafisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka fa izao fifaninanana fandraisana mpianatra ho Polisimpirenena izao no natao dia mba hahafahana mampitombo isa ireo Polisimpirenena manerana ny Nosy ka hanatanterahana ny Politikam-panjakàna amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
– Ny Asabotsy 31 Janoary 2026 sy ny Alahady 1 Febroary 2026 no nanaovana ny fifaninana manerana ny Nosy, mahatratra 9600 ireo mpandray anjara ka 500 no ho raisina amin’ity andiany ity.

FIFANINANANA FANDRAISANA MPIANATRA HO « AGENT DE POLICE » : TANJONA NY HAMETRAKA FAHADIOVANA SY MANGARAHARA EO AMIN’NY FANADINANA HOY NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA NANDRITRA NY FANARAHA-MASO IZANY TETSY AMIN’NY LYCEE RABEARIVELO ANALAKELY

Vous pourrez aussi aimer