-Naharay angom-baovao marim-pototra ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP7 67ha ny 25 Janoary 2026, izay nilaza fa misy vehivavy iray nitondra zava-mahadomelina eny amin’ny fiantsonan’ny taxi brousse Maki Andohatapenaka,
-Nanao ny fitsirihana avy hatrany moa ireo mpitandro ny filaminana ka voasambotra Ilay vehivavy voatonona io. Valizy miisa efatra (04) no nentiny ka nahitana rongony voafono tsara tao anaty harona plastika izy ireo izay mitotaly 80kg.
-Fantatra fa avy any Mampikony izy ary nikasa ho any Toamasina hitondra ireo zava-mahadomelina ireo.
– Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fitsarana ny 30 Janoary 2026 ka notanana vonjy maika eny amin’ny fonjan’ Antanimora.

 

FIANTSONAN’NY TAXI-BROUSSE ENY ANDOHATAPENAKA, VEHIVAVY IRAY 26 TAONA SARONA NITONDRA ZAVA-MAHADOMELINA, NAFENINA TANATY VALIZY.

Vous pourrez aussi aimer