– Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Poste de Police Avancé (PPA) Soavina teny Besarety sy Ankadifotsy ny 01 sy 02 febroary 2026 noho ny resaka halatra moto nitranga tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Soavina, Distrikan’Antananarivo-Atsimondrano.
– Ny Alatsinainy 26 janoary 2026 no naharay fitoriana avy amina orinasa iray eny an-toerana, mombana fahaverezana moto marika PGO Tigra ny Polisy ao amin’ny PPA Soavina.
– Taorian’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa lehilahy roa no tomponantoka tamin’ilay halatra. Ny iray tamin’ireo dia efa mpiasa taloha tao amin’ilay orinasa. Nosamborina ity farany ny 01 Febroary 2026 tao Mahavoky Besarety, ary niaiky avy hatrany ny heloka vitany sady nanondro ny namany.
– Ny namany kosa dia voasambotra ny 02 febroary 2026 tao Ankadifotsy, ary mbola tratra tany aminy ilay moto very.
– Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny famotorana savaranonando ataon’ny Polisimpirenena.

 

SOAVINA ATSIMONDRANO : LEHILAHY ROA NANGALATRA MOTO, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer