– Ny marainan’ny 28 Janoary 2026, tokony ho tamin’ny 5 ora, no naharay fampandrenesana ny Polisimpirenena mahakasika vehivavy 36 taona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Fokontany sy Kaominina Ambanivohitra Tsaraitso, Distrikan’i Betroka.
– Tonga teny an-toerana avy hatrany ny Polisimpirenena avy ao amin’ny komisaria Betroka ary nanomboka ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
– Vokatry ny fanadihadiana sy ny angom-baovao dia lehilahy telo, 29 taona, 28 taona ary 19 taona, no voasambotra tany an-toerana ary niaiky ny heloka nataony nandritra ny famotorana.
– Nikasa hangalatra ny basin’io vehivavy novonoiny io ireto telo lahy ireto ka nahavita izao fihetsika mamohehatra izao.
-Tamin’ny fisamborana azy ireo dia mbola hita teny amin’izy ireo ny antsy maranitra nampiasaina nanaovana ny heloka sy ny findain’ilay niharam-boina.
– Natolotra ny fitsarana ireo voarohirohy ny 2 Febroary 2026 ary naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Betroka.

 

 

BETROKA – FARITRA ANÔSY : LEHILAHY MIISA TELO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FAMONOANA VEHIVAVY 36 TAONA TAO TSARAITSO.

Vous pourrez aussi aimer